<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Tsy mba hisy tonga arý
 an-danitra
 Raha tsy mandrombaka
 tokoa ;
 Ny mpiady tsara izay
 maharitra
 No handray anjara lova soa.
 Ety sady tery ny vavahady ao,
 Kely sy mideza ny lalana
 mankao ;
 Nefa aza kivy, ry havako izao,
 Fa izay malaina dia ho very.

[V2]
 Maro no mitady hisakana
 anao,
 Koa mba tohero, ry sakaiza ;
 Mba reseo mafy ny
 fahavalonao.
 Fetsy izy ireo ka mahaiza,
 Izay rehetra mamin'izao
 tontolo izao
 Dia avelao, fa mamandrika
 anao ;
 Aoka mba Jesosy no
 hifalianao,
 Eny hifalianao tokoa.

[V3]
 Satroboninahitra tsy ho
 azonao
 Raha tsy katsahinao tokoa
 Fa hevero kosa ny fifalianao
 Raha tonga ao an-dapa soa,
 Fa hahita maso ny Tompo
 hianao,
 Ka hifaly amin'
 Andriamanitrao.
 Koa miomàna re,
 ry sakaiza ô !
 Mba ho faly ao am-pitsarana.

[V4]
 Dia miangavy, mangataka
 aminao,
 Mba modia, ry mpirenireny !
 Fa ny Tomponao ta-handray
 anao izao.
 Hianao tsy sitrany ho very.
 Izy dia mananty ny tanany
 izao
 Ka ny fonao simba mba
 atolorinao
 Hosoloan'i Jeso fo tsara sy
 vaovao ;
 Izany mba hevero, ry sakaiza !</lyrics>
<title>Tsy mba hisy tonga ary an-danitra FFPM377</title>
<hymn_number>377</hymn_number>
</song>